1 John 3

1Indro toy ny inona ny fitiavana nomen’ny Ray antsika, mba hiantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, ary izany isika. Noho izany antony izany, izao tontolo izao dia tsy mahafantatra antsika, satria tsy mahafantatra azy izany. [Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia tsy manisy hoe:”ary izany isika.”] 2Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, ary izany dia mbola tsy nambara hoe ho toy ny inona isika. Isika dia mahafantatra fa rehefa miseho i Kristy, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy toa Azy isika. 3Ny rehetra izay manana izany fahatokisana momba ny ho avy mifototra aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.

4Izay rehetra manota dia manao izay tsy ara-dalàna; fa ny fahotana dia tsy ara-dalàna. 5Ianareo dia mahafantatra fa i Kristy dia nambara mba hanala ireo fahotana, ary ao aminy dia tsy misy fahotana. 6Tsy misy olona izay mitoetra ao aminy ka mbola hanota hatrany. Tsy misy olona mbola manota nahita azy na nahafantatra azy.

7Ry zanaka malala, aza avela hisy olona hamitaka anareo. Ilay iray izay manao ny fahamarinana dia marina, tahaka ny mahamarina an’i Kristy. 8Ilay iray izay manota dia avy amin’ny devoly, fa ny devoly dia nanota hatrany am-piandohana. Noho izany antony izany ny Zanak’Andriamanitra dia naseho, mba hahafahany mamotika ireo asan’ny devoly.

9Na iza na iza naterak’Andriamanitra dia tsy hanohy ny fahotana satria ny voa avy tamin’Andriamanitra dia mitoetra ao aminy. Tsy afaka manohy ny fahotana izy satria naterak’Andriamanitra. 10Ao amin’izany no hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra sy ireo zanaky ny devoly. Na iza na iza tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra; na ny iray izay tsy tia ny rahalahiny ihany koa aza.

11Fa izany no hafatra izay efa renareo hatrany am-piandohana: fa isika dia tokony mifankatia, 12fa tsy toa an’i Kaina, izay avy amin’ilay ratsy sy namono ny rahalahiny. Fa nahoana izy no namono azy? Satria ireo asany dia ratsy, ary ny an’ny rahalahiny dia marina.

13Aza gaga, ry rahalahiko, raha mankahala anareo ny tany. 14Fantatsika fa efa niala tamin’ny fahafatesana mankany amin’ny fiainana isika, satria tia an’ireo rahalahy isika. Izay tsy tia dia mitoetra any amin’ny fahafatesana. 15Izay mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona. Fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao aminy.

16Amin’izany no hahafantarantsika ny fitiavana, satria Kristy nanolotra ny ainy ho antsika. Isika ihany koa dia tokony manolotra ny aintsika ho an’ireo rahalahy. 17Fa na iza na iza manana ny haren’izao tontolo izao, ka mahita ny fahasahiranan’ny rahalahiny, ary manakatona ny fon’ny fangorahany azy, amin’ny fomba ahoana no itoeran’ny fitiavan’Andriamanitra ao aminy? 18Ry zanako malalako, aoka isika tsy hitia amin’ny teny na koa amin’ny vava, fa amin’ny asa sy fahamarinana.

19Avy amin’izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny fahamarinana isika, ary mampatoky ny fontsika eo anatrehany isika. 20Fa raha manameloka antsika ny fontsika, Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika, ary mahafantatra ny zava-drehetra Izy. 21Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahatokisana amin’Andriamanitra isika. 22Na inona na inona angatahintsika dia ho azontsika avy aminy, satria isika mitandrina ireo didiny sy manao izay ankasitrahana eo anatrehany.

23Izao no didiny: tokony mino ny anaran’ny Zanany Jesosy Kristy ary mifankatia isika, tahaka ny efa nanomezany antsika izany didy izany. Ny iray izay mitazona ireo didin’Andriamanitra dia mitoetra ao aminy, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy. Amin’izany no hahafantarantsika fa izy dia mitoetra ao amintsika, amin’ny Fanahy izay nomeny antsika.

24

Copyright information for PltULB